1 Ary tamin'ny andron'i Amrafela. mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpanjakan'i Elasara. sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama. ary Tidala. mpanjakan'ny Goima,
2 dia nandeha izy ireo ka nanafika an'i Bera, mpanjakan'i Sodoma. sy Birsa, mpanjakan'i Gomora. sy Sinaba, mpanjakan'i Adma, sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany).
3 Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan'i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany).
4 Fa efa nanompo an'i Kedorlaomera roa ambin'ny folo taona ireo, fa tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo kosa dia niodina izy.
5 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaita tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima