1 Ary Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
2 Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray.
3 Ary rehefa nonina folo taona teo amin'ny tany Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny mba hovadiny.
4 Dia nivady tamin'i Hagara izy, ka nanan'anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan'anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny.