1 Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
3 Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
4 Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro ianao.
5 Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao.