2 dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran'ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin'ny tany
3 ka nanao hoe: Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna ianao, aza dia mandalo ny mpanomponao.
4 Aoka hangalana rano kely ianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo ianareo;
5 dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany ianareo; fa tonga atỳ amin'ny mpanomponareo ianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao.
6 Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin'i Saraha ka nanao hoe: Faingana, makà koba tsara toto intelon'ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo.
7 Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin'ny omby, dia naka zanak'omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin'ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy.
8 Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak'omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan'izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin'ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy.