16 Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna.
17 Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao.
18 Ary hoy Lota taminy: Aza an'izany, Tompo ô!
19 indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho;
20 indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko.
21 Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin'izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io.
22 Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Zoara.