22 Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Zoara.
23 Ary ny masoandro efa niposaka tamin'ny tany, raha tonga tao Zoara Lota.
24 Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra,
25 ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin'ny tany.
26 Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy.
27 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin'ilay efa nijanonany teo anatrehan'i Jehovah;
28 ary nitsinjo an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe.