1 Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy.
2 Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony.
3 Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.
4 Ary izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra:
5 Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany;