6 Ary Rebeka niteny tamin'i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin'i Esao rahalahinao nanao hoe:
7 Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan'i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho.
8 Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin'izay asaiko ataonao.
9 Mankanesa kely any amin'ny ondry aman'osy, ka analao zanak'osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an'ny rainao araka ilay tiany izany;
10 ary dia ho entinao any amin'ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.
11 Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa;
12 ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano.