1 Ary Jakoba nandre ny tenin'ny zanakalahin'i Labana nanao hoe: Efa lasan'i Jakoba avokoa izay rehetra nananan'ny raintsika; ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao.
2 Ary hitan'i Jakoba ny tarehin'i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.
3 Ary hoy Jehovah tamin'i Jakoba: Modia any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny havanao; ary homba anao Aho.
4 Ary Jakoba naniraka ka nampaka an-dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin'ny ondry aman'osiny