22 Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy nanambara tamin'i Labana fa lasa nandositra Jakoba.
23 Dia nitondra ny havany homba azy izy ka nanenjika azy lalan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra Gileada.
24 Fa Andriamanitra nankeo amin'i Labana Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
25 Ary Labana dia nahatratra an'i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo an-tendrombohitr'i Gileada.
26 Ary hoy Labana tamin'i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin'ny sabatra?
27 Nahoana no nandositra mangingina ianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko ianao mba hanaterako anao amin'ny fifaliana sy ny hira, amin'ny amponga-tapaka sy ny lokanga,
28 sady tsy mba navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala ianao.