34 Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy nahita.
35 Ary hoy Rahely tamin'ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.
36 Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?
37 Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan'ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy,
38 Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin'ny ondrinao aho.
39 Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina.
40 Nony antoandro matin'ny hain'andro aho, ary nony alina dia matin'ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso.