15 Ary ny anaran'ny tany izay niresahan'Andriamanitra taminy dia nataon'i Jakoba hoe Betela.
16 Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny.
17 Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato koa no zazalahy ho anao.
18 Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.
19 Dia maty Rahely ka nalevina teo amin'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
20 Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin'ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin'ny fasan-dRahely mandraka androany.
21 Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr'i Migdaledera.