22 Ary raha nonina teo amin'izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin'i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.
23 Ary ny zanakalahin'i Jakoba dia roa ambin'ny folo mirahalahy: ny zanak'i Lea dia Robena, lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;
24 ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;
25 ary ny zanak'i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly;
26 ary ny zanak'i Zilpa, ankizivavin'i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin'i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia.
27 Ary Jakoba nankany amin'Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian'i Abrahama sy Isaka.
28 Ary ny andro niainan'Isaka dia valo-polo amby zato taona.