14 Ary izao no zanakalahin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, zanakavavin'i Zibona, vadin'i Esao: niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora tamin'i Esao izy.
15 Izao no loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao: ny zanakalahin'i Elifaza, lahimatoan'i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny
16 sy Kora loham-pireneny sy Gatama loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no loham-pireneny avy tamin'i Elifaza tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Ada.
17 Ary izao no zanakalahin'i Regoela, zanak'i Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Regoela tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Basemata, vadin'i Esao.
18 Ary izao no zanakalahin'i Oholibama, vadin'i Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama loham-pireneny sy Kora loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, vadin'i Esao.
19 Ireo no zanak'i Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny.
20 Ary izao no zanakalahin'i Seïra Horita, izay nonina tany amin'ny tany: Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana