1 Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron'i Neily izy.
2 Koa, indreo, nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy teo Neily ka nihinana teny amin'ny bararata.
3 Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka azy, ka dia nijanona teo anilan'ireo ombivavy teo amoron'i Neily.
4 Ary ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia nahatsiaro Farao.
5 Ary natory indray izy ka nanonofy fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny tahony iray, sady vokatra no tsara.