3 Ary raha vao nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny.
4 Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa?
5 Tsy iny va no fisotroan'ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.
6 Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy.
7 Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin'ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany.
8 Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan'ny lasakanay aza naverinay indray tatỳ aminao avy tany amin'ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin'ny tranon'ny tomponao?
9 Izay anankiray amin'ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon'itompokolahy.