5 Tsy iny va no fisotroan'ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.
6 Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy.
7 Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin'ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany.
8 Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan'ny lasakanay aza naverinay indray tatỳ aminao avy tany amin'ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin'ny tranon'ny tomponao?
9 Izay anankiray amin'ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon'itompokolahy.
10 Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa ianareo tsy hanan-tsiny.
11 Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin'ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy.