1 Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy.
2 Dia nitomany mafy izy, ka ren'ny Egyptiana, ary ren'ny tao an-tranon'i Farao koa.
3 Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo.
4 Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.
5 Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
6 Fa roa taona izao no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
7 Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe.