20 Aza malahelo ny amin'ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin'ny tany Egypta rehetra.
21 Ary nataon'ny zanak'Isiraely izany, ka dia nomen'i Josefa sariety izy, araka ny tenin'i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy.
22 Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova.
23 Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an'ny rainy ho entiny eny an-dalana.
24 Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo.
25 Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin'i Jakoba rainy tany amin'ny tany Kanana.
26 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy izy.