19 Ny zanakalahin-dRahely, vadin'i Jakoba dia Josefa sy Benjamina.
20 Ary ny zanakalahin'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak'i Josefa tany amin'ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.
21 Ary ny zanakalahin'i Benjamina dia Bela sy Bakera sy Asbela sy Gera sy Namana sy Ehy sy Rosy sy Mopima sy Hopima ary Arda.
22 Ireo no zanakalahin-dRahely, izay naterany tamin'i Jakoba; efatra ambin'ny folo ny isan'izy rehetra.
23 Ary ny zanakalahin'i Dana dia Hosima.
24 Ary ny zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera ary Silema.
25 Ireo no zanakalahin'i Bila, izay nomen'i Labana an-dRahely zananivavy, ary ireo no naterak'i Jakoba; fito no isan'izy rehetra.