9 Tsy tahaka an'i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an'i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an'i Damaskosy va Samaria ?
10 Tahaka ny nahatraran'ny tanako ny fanjakan'ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an'i Jerosalema sy ny an'i Samaria aza ny sampin'ireo,
11 Dia tsy tahaka ny nataoko tamin'i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin'i Jerosalema sy ny sampiny koa ?
12 Kanefa rehefa vitan'ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan'ny fon'ny mpanjakan'i Asyria sy ny reharehan'ny fiandranandran'ny masony;
13 Fa izy manao hoe: Tamin'ny herin'ny tanako no nanaovako izany, sy tamin'ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin'ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka;
14 Ary tahaka ny fakàna ny ao amin'ny akanim-borona no nakan'ny tanako ny haren'ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin'ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
15 Ny famaky va hirehareha amin'izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin'izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony!