12 Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
13 Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana
14 Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina
15 Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra
16 Sy ny sambon'i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
17 Ary ny fireharehan'ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan'ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.
18 Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.