15 Mankalazà an'i Jehovah any amin'ny tany atsinanana, dia ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin'ny amoron- dranomasina.
16 Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an'ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra.
17 Tahotra sy longoa ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin'ny tany.
18 Ary izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy ao anatin'ny lavaka dia ho voan'ny fandrika; Fa misy varavarana mivoha any amin'ny avo, ary mihorohoro ny fanorenan'ny tany.
19 Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany;
20 Mivembena dia mivenbena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony.
21 Ary amin'izany andro izany dia any an-danitra no hamalian'i Jehovah ny antokon'ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan'ny tany.