1 Amin'izany andro izany dia hohiraina eto amin'ny tanin'ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren'i Jehovah ho manda sy fiarovana.
2 Vohay ny vavahady, mba hidiran'ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
3 Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
4 Matokia an'i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.