1 Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan'ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.
2 Ary hisy lehilahy ho fierena amin'ny rivotra sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin'ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny tany mahana.
3 Ary tsy hikimpy ny mason'izay mahita, ary ny sofin'izay mandre dia hihaino.
4 Ny fon'izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan'izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.
5 Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr'andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be.
6 Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin'i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan'ny noana hanina sy izay tsy hahazoan'ny mangetaheta rano hosotroina.