4 Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
5 Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.
6 Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.
7 Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin'ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
8 Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay; satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
9 Ary ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin'i Hezekia nanao hoe:
10 Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.