25 Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin'ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
26 Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.
27 Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko,
28 Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an'i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa.