23 Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin'andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin'ny tongotrao; Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy.
24 Azo alaina eny amin'ny mahery va ny sambotra? Na ho afaka va ny babo marina?
25 Nefa izao no lazain'i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon'ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.
26 Sady hampihinaniko ny nofon'ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon'ny ran'ny tenany ihany ireny, toy ny amin'ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.