1 Aoka aho hihira ny amin'ny Malalako, dia hiran'ny Malalako ny amin'ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;
2 Dia nasainy io, ka nesoriny ny vato, Ary novoleny karazam-boaloboka tsara, Sady nanao tilikambo teo afovoany Izy Ary nandavaka famiazam-boaloboka teo; Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, Kanjo namoa voalobo-dratsy.
3 Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin'ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko.
4 Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?