8 Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon'ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby.
9 Mifohaza, mifohaza, ry sandrin'i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny! dia tamin'ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona?
10 Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin'ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan'ny navotana?
11 Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
12 Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak'olombelona mety maty sy ny zanak'olona hatao tahaka ny ahitra
13 ka manadino an'i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran'ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran'ny mpampahory?
14 Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.