1 Iza no nino ny teny nampitondraina anay ? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah?
2 Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin'ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.
3 Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.
5 Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
7 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan'ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.