14 Koa, indro, avy any andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;
15 Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahany azy; Fa hampodiko ho amin'ny tany izay nomeko ny razany izy.
16 Indro, Izaho haniraka mpamono maro, hoy Jehovah, Izay hamono azy; Ary rehefa afaka izany, dia haniraka mpihaza maro Aho, Izay hihaza azy any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary any an-tsefatsefaky ny harambato.
17 Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra, ka tsy miafina amin'ny tavako izany, ary tsy takona amin'ny masoko ny helony.
18 Alohan'izany anefa dia hovaliako avy sasaka ny helony sy ny fahotany noho ny nandotoany ny taniko, dia ny namenoany ny lovako tamin'ireo fatin'ny sampiny sy fahavetavetany ireo.
19 Jehovah ô, ry heriko sy fiarovana mafy ho ahy ary fandosirako amin'ny andro fahoriana ô! Ho tonga aminao ny jentilisa avy any amin'ny faran'ny tany dia hanao hoe: Eny, tokoa lainga no nolovan'ny razanay, dia zava-poana sady tsy misy mahasoa.
20 Moa mahay manao andriamanitra ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny.