27 Dia izay manao amin'ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin'ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin'ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.
28 Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin'ny andro fahorianao fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao.
29 Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah.
30 Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.
31 Ry taranaka, dinihonareo ny tenin'i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an'ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?
32 Hanadino ny firàvany va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan'ny oloko Ahy.
33 Kanto izany fandehanao hitady fitia izany, ka zarinao ho amin'ny ratsy ny dianao!