27 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda Ny taranak'olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
28 Ary toy ny niambenako azy hongotana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.
29 Amin'izany andro izany izy dia tsy hanao intsony hoe: ny ray no nihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin'ny zanany no madilo.
30 Fa ny olona rehetra samy ho fatin'ny helony avy; Izay rehetra homana ny voaloboka maharikivy. Dia izy ihany no hadilo nify.
31 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda,
32 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny,hoy Jehovah.
33 Fa izao no fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.