1 Ary tonga fanindroany tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, raha mbola voahazona teo an-kianjan'ny trano fiambenana ihany izy, nanao hoe:
2 Izao no lazain'i Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany;
3 Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
4 Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin'ny trano amin'ity tanàna ity sy ny amin'ny lapan'ny mpanjakan'ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra,
5 Raha mandroso hiady amin'ny Kaldeana izy ka mameno ny trano amin'ny fatin'olona, izay novonoiko tamin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin'ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra:
6 Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren'ny fiadanana sy ny fahamarinana.