15 Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany dia hampaniry Rantsana marina ho an'i Davida Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany Izy.
16 Amin'izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika.
17 Fa izao no lazain'i Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny taranak'Isiraely;
18 Ary ny Levita mpisorona tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, Mba hanaterany mandrakariva fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary fanatitra hafa alatsa-drà.
19 Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
20 Izao no lazain'i Jehovah: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin'ny andro sy ny fanekeko ny amin'ny alina ianareo, mba tsy hisy andro sy alina amin'ny fotoany,
21 Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin'i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin'ny seza fiandrianany, sy ny amin'ny Levita mpisorona, mpanompoko.