1 Ary rehefa tapitra voalazan'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin'i Jehovah Andriamaniny izany, izay nanirahan'i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy,
2 dia niteny Azaria, zanak'i Hosaia, sy Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin'i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta;
3 fa Baroka, zanak'i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan'ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.
4 Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon'i Jehovah ny amin'ny honenany ao amin'ny tanin'ny Joda.
5 Fa Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin'ny Joda, izay niverina avy tany amin'ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin'ny tanin'ny Joda,