41 Afaka ny tanàna, ka azo ny batery fiarovana, ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Moaba dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza.
42 Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin'i Jehovah izy.
43 Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.
44 Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan'ny fandrika; Fa hataoko tonga amin'i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
45 Ao amin'ny alokalok'i Hesbona no ijanonan'ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona, ary lelafo avy any Sihona, ka mandevona ny sisin'i Moaba sy ny tampon-dohan'ny mpitabataba.
46 Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon'i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny zanakao-vavy.
47 Nefa mbola hampodiko avy amin'ny fahababoana ihany Moaba any amparany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin'ny fitsarana an'i Moaba.