41 Indro, misy firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro no mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany.
42 Tsipika sy lefona no entiny; Lozabe sy tsy mamindra fo izy, ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, hamely anao, ry Babylona zanakavavy.
43 Efa ren'ny mpanjakan'i Babylona ny lazany, ka miraviravy tànany izy; Fahoriana no mahazo azy, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
44 Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza; Nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona anankiray voafidy no hotendreko hanapaka azy; Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
45 Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, izay nosaininy hamelezana an'i Babylona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin'ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
46 Noho ny antsoantso hoe: "Efa afaka Babylona", dia mihorohoro ny tany, ary ny fitarainana dia re any amin'ny firenena.