14 Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho.
15 Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.
16 Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.
17 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko.
18 Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.
19 Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.
20 Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;