Joba 8 MG1865

Ny teny voalohany nataon'i Bildada

1 Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:

2 Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?

3 Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?

4 Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.

5 Fa raha ianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitra ka mifona amin'ny Tsitoha.

6 Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao,

7 Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.

8 Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany

9 (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin'ny tany);

10 Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?

11 Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?

12 Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.

13 Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,

14 Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.

15 Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.

16 Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny;

17 Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;

18 Kanjo nony fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.

19 Indro, izany ihany no fifalian'ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka.

20 Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;

21 Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.