1 Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
2 Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.
3 kanefa amin'izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin'ny fitsarana!
4 Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
5 Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,