23 Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny!
24 Enga anie ka ho voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho mandrakizay izy!
25 Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy.
26 Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra;
27 Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.
28 Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy.