11 Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.
12 Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,
13 Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,
14 Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.
15 Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
16 Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.
17 Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.