1 Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2 Mahasoa an'Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
3 Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
4 Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin'ny fitsarana?
5 Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
6 Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon'ny mahantra.