7 Raha niainga niakatra ho eo amin'ny vavahadin'ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana,
8 Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
9 Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
10 Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin'ny lanilaniny.
11 Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
12 Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
13 Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko.