13 Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,
14 Teo amin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava,
15 Na teo amin'ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
16 Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.
17 Any no itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;
18 Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy.
19 Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony.