4 Ary Eliho mbola niandry an-dr'i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
5 Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;
6 ka dia niteny Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
7 Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan'ny taona no hampianatra fahendrena.
8 Kanefa ny fanahy izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy ny fofonoin'ny Tsitoha no mahahendry azy.
9 Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;
10 Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.