24 Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
25 Koa hita amin'izany fa fantany ny asan'ireo, ka dia mamono azy amin'ny alina ho torotoro Izy.
26 Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin'ny ratsy fanahy ireo eo imason'ny vahoaka.
27 Izao no nialan'ireo tamin'Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
28 Dia ny mba hahatonga ny fitarainan'ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan'ny ory.
29 Mangina Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin'ny firenena, na amin'ny olona tsirairay,
30 Mba tsy hanjakan'ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.