6 Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
7 Mampiohona ny tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;
8 Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.
9 Avy any atsimo ny tadio, ary entin'ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.
10 Ny fofonain'Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
11 Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon'ny helatra dia ampieleziny;
12 Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin'ny tany eran'izao tontolo izao,